-
WORD Research this...1 Peter 3
- 1 Ary toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ ny fitondran-tenan’ ny vavy izy, na dia tsy amin’ ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny),
- 2 rehefa hitany ny fahadiovan’ ny fitondran-tenanareo amin’ ny fahatahorana.
- 3 Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana;
- 4 fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason’ Andriamanitra.
- 5 Fa tahaka izany no niravahan’ ny vehivavy masìna fahiny, izay nanantena an’ Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny;
- 6 dia tahaka an’ i Saraha, izay nanaiky an’ i Abrahama ka nanao azy hoe “tompoko”; dia zanany ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.
- 7 Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ ny fiainana,― mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
- 8 Farany, miraisa saina ianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena,
- 9 tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin’ izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.
- 10 “Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin’ ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka;
- 11 Ary aoka izy hiala amin’ ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.
- 12 Fa ny mason’ ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan’ ny Tompo dia tezitra amin’ ny mpanao ratsy”.
- 13 Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin’ izay tsara ianareo?
- 14 Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo;
- 15 fa manamasìna an i’ Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ ny anton’ ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ ny fahalemem-panahy sy ny fanajana,
- 16 ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin’ i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo.
- 17 Fa raha sitrapon’ Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin’ ny fanaovan-tsoa noho ny amin’ ny fanaovan-dratsy.
- 18 Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’ Andriamanitra, ka novonoina tamin’ ny nofo, fa novelomina tamin’ ny fanahy,
- 19 izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ ireo fanahy tao an-tranomaizina,
- 20 dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon’ Andriamanitra tamin’ ny andron’ i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran’ ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano,
- 21 izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan’ io tandindona io,― tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ ny nofo anefa, fa ny fitadiavana’ ny fieritreretana tsara eo anatrehan Andriamanitra, amin’ ny nitsanganan’ i Jesosy Kristy tamin’ ny maty.
- 22 Izay eo amin’ ny tanana ankavanan’ Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.
-
-
King James Version (kjv)
- Afrikaans
- Albanian
- Arabic
- Armenian
- Basque
- Breton
- Calo
- Chamorro
- Cherokee
- Chinese
- Coptic
- Croatian
- Czech
- Danish
- Dari
- Dutch
-
English
American King James Version (akjv) American Standard Version (asv) Basic English Bible (basicenglish) Douay Rheims (douayrheims) John Wycliffe Bible (c.1395) (wycliffe) King James Version (kjv) King James Version (1769) with Strongs Numbers and Morphology and CatchWords, including Apocrypha (without glosses) (kjva) Webster's Bible (wb) Weymouth NT (weymouth) William Tyndale Bible (1525/1530) (tyndale) World English Bible (web) Young's Literal Translation (ylt)
- English and Klingon.
- Esperanto
- Estonian
- Finnish
- French
- German
- Gothic
- Greek
- Greek Modern
- Hebrew
- Hungarian
- Italian
- Japanese
- Korean
- Latin
- Latvian
- Lithuanian
- Malagasy
- Malayalam
- Manx Gaelic
- Maori
- Mongolian
- Myanmar Burmse
- Ndebele
- Norwegian bokmal
- Norwegian nynorsk
- Pohnpeian
- Polish
- Portuguese
- Potawatomi
- Romanian
- Russian
- Scottish Gaelic
- Serbian
- Shona
- Slavonic Elizabeth
- Spanish
- Swahili
- Swedish
- Syriac
- Tagalog
- Tausug
- Thai
- Tok Pisin
- Turkish
- Ukrainian
- Uma
- Vietnamese
-
-
Active Persistent Session:
To use a different persistent session key, simply add it above, and click the button below.
How This All Works
Your persistent session key, together with your favourite verse, authenticates you. It links to all your notes and tags in the Bible. You can share it with loved ones so they can see your notes and tags.
However, to modify your notes and tags, you need both the persistent session key and your favourite verse.
Please Keep Your Favourite Verse Private
Your persistent session key and favourite verse provide you exclusive access to edit your notes and tags. Think of your persistent session key as a username and your favourite verse as a password. Therefore, ensure your favourite verse is kept private.
The persistent session key allows viewing, while editing is only possible when the correct favourite verse is provided.
-
Loading...
-
Favourite Verse
You should select one of your favourite verses.
This verse in combination with your session key will be used to authenticate you in the future.
This is currently the active session key.
Should you have another session key from a previous session.
You can add it here to load your previous session.